samedi 3 octobre 2009

COMMUNIQUE DU PRESIDENT MARC RAVALOMANANA

Ry vahoaka malagasy

Velom-panantenana isika taorian’ny nahavitan’ireny fifanarahana tany Maputo
ireny . Indrisy anefa fa na inona na inona ezaka sy famelana ny ambo-po
manokana nataoko sy nataontsika dia tetsy andaniny tsy nisy mihintsy
fahavononana hanatanteraka izay nifanarahana.


Tsy misy fitsaharana ny fisamborana olona amin’ny tsy antony,
Isan-andro vaky ny fandrobana ny harem-pirenena toy ny vatosoa haondrana
antsokosoko sy ireo hazo saro-bidy izay harem-pirenena tsy ho voaverina
intsony alohan’ny roanjato taona raha haingana indrindra.
Potika tanteraka ny fiari-karena, an-arivony isan-andro no very asa noho ny
fikatonan’ny orinasa etsy sy eroa.
Tsy mitsahatra miakatra andro aman-alina ny vidim-piainana, isika anefa
mbola tsy tena ao anatin’ny maitso ahitra akory.
Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy ary henoko sy tsapako tsara ny
fitaintainan’ny vahoaka noho ny fandrina andriran-antsy.
Toa very an-javony ilay fanjakana tan-dalàna, lavitry ny kolikoly
nimatimatesantsika.
Potika tsy ampy fikarakarana ireo foto drafitr-asa nandaniana mondro-kely.
Ary dia maha-ontsa ahy tokoa ny mijery sy mieritreritra ireto ankizy tsy
tafiditra an-tsekoly noho ny tsy fahampiana ary ny efa tany aza tsy
tafaverina fa najanona.

Toa lasa tsianjery fotsiny ny filazana hoe « Hoan’ny tombotsoa ambonin’ny
firenena » fa mpitari- bato vilam-bava ka ny firain’ny vava hafa ary ny
firain’ny tanana hafa.


Handray ny Groupe International de Contact (Gic) eto Antananarivo isika
amin’ny 06 oktobra 2009 ho avy izao mba hanohizana ny fitadiavana ny lalana
hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao.

Heveriko fa ny fikasana na fihetsika rehetra entina hisakanana ny
fahatomombanan’izany antsakany sy an-davany dia finiavana ankitsirano
fotsiny izao tsy hamaha ny olana ary mitory tanteraka tsy
fitiavan-tanindrazana.

Koa manainga antsika rehetra aho hifanome-tanana amin’ny fanatontosana
fivoriana sy hitondra amim-bavaka ireo mpitantatana sy mpandray anjara amin’izany.

Mino koa anefa aho fa ny lova lehibe indrindra azontsika rehetra velona
ankehitriny, hapetraka hoan ‘ny firenena sy fara aman-dimby dia Madagasikara
milamina sy mandroso, fitaratra hoan’i Afrika sy izao tontolo izao.

Tsy ho henatra ho antsika intsony izany fandrobam-pahefana izany ary tsy ho
ekentsika intsony koa.

Ny lalana hahatongavantsika amin’izany dia :
· Ny fifehezana ny mpanao politika hanaja tsy misy fepetra hatrany ny
safidin’ny besinimaro ;
· Ny tsy fanekena ny fanomezahana vahana na rahoviana na rahoviana ny
mpanongam-panjakana ;
Izany no foto-kevi-dehibe efa nataonay re-tany, ren-danitra tany Maputo
ary mifanaraka amin’ny fifampifehazana iraisam-pirenena ka hankatoavin’izao
tontolo izao.
Ankehitriny ary dia manana adidy isika malagasy sy ireo mpikambana ao amin’ny
GIC, hitsipaka hatramin’ny farany izay rehetra hevitra sy tetika hitazonana
an’i Andry Rajoelina sy Monja Roindefo hitantana an’i Madagasikara, na dia
ao amin’ny tetezamita aza, raha tsy mbola voafidin’ny besinimaro tamin’alalan’ny
latsa-bato izy ireo, fa tsy lany olo-manga sy tia tanidrazana ary tsara
sitra-po akory i Madagasikara

Koa mahereza daholo ary fa homba antsika Andriamanitra

Marc RAVALOMANANA
02 OKTOBRA 2009

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire