dimanche 9 août 2009

Discours du Président Marc Ravalomanana

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany, kanahatongavantsika amin’izao tanjona fampihavanam-pirenena izao. Nandalo fotoan-tsarotra tokoa mantsy ny Tanindrazantsika hatramin’nyvoalohan’ny taona nankaty nohon’ny fandrombaham- pahefana.

Voatohina mafy ny andrim-panjakana sy ny firaisam-pirenena.Nitsitongana ny fiarian-karena sy ny fiaraha-monina, ary niharatsy nyfarim-piainan’ny Vahoaka Malagasy.Zava-dehibe loatra ny fitandrovana ny firaisam-pirenenana sy nysoatoavina malagasy. Koa hamerenana haingana ny fandriam-pahalemanasy ny filaminana, ary hanarenana ny toekarena , dia heveriko fa tongany fotoana handraisan’ny mpitarika politika rehetra andraikitra eo anatrehan’ny tantara, ary hametrahana ny tombotsoan’ny Firenena ambonin’ny zava-drehetra, hampitsaharana ny fanaovana takalonaina nyVahoaka Malagasy.

Ho ahy manokana, dia ambarako amin’ny Vahoaka Malagasy, fa tsy izahovelively no ho sakana amin’ny hahitantsika lalan-kivoahana amin’izaokrizy izao. Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, antoky ny firaisan-kinam-pirenena, dia manambara ankitsi-po aho, fa vonona hampangina nyhambompo maha olombelona, hikatsahana ny vahaolana iraisanaamin’izao krizy politika mampijaly ny Vahoaka Malagasy izao.

Mba ho fitandrovana ny tombotsoa ambony ny Firenena, dia heveriko fafahendrena ny tsy handraisako anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita iarahana. Nefa kosa ny “Mouvance Marc RAVALOMANANA”,mandala ny ara-dalàna dia handray anjara mavitrika amin’izany.Hiverina an-tanindrazana tokoa aho, araky ny efa nambarakohatramin’izay, ka matokia ahy ianareo. Aza matahotra, minoa fotsinyihany.

Manao antso avo hoan’ny mpitondra politika rehetra aho, hametraka nytombontsoam-pirenena ambonin’ny zavatra rehetra.Mangataka amintsika rehetra aho hitandro hatrany ny Fihavanana sy nyfiraisan-kina. Andeha isika hanokatra pejy vaovao, ary hifantoka amin’ny hoavy.

Midera tanteraka ny herimpo sy ny fitiavan-Tanindrazana nasehontsika rehetra aho, tamin’ny fiarovana ny Lalampanorenana sy ny ara-dalana.

Misaotra ny Vahoaka Malagasy aho, indrindra ireo mpanohana ahy sy ireo rehetra nametraka tamiko ny fitokisany, ary nitondra ihany koa ny anjara birikiny amin’ny fitadiavana vahaolana iraisana sy milaminaamin’izao krizy izao.

Miantso ny tsirairay aho hanao izay tandrifiny azy mba hahatafita nytetezamita iraisana ho an’i Madagasikara vaovao ; Mahatoky isikarehetra fa ho raiketin’ny Tantara izao finiavana sy fitiavan-tanindrazana asehontsika izao.

Isaorako ny Vahoaka Malagasy tamin’ny ezaka rehetra izay vitantsika, niasa niaraka tamin’ny fampandrosoana ny Firenena. Misaotra ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, Ireo mpiara-miombon’antokaamin’i Madagasikara, indrindra ny SADC, ny Vondrona Afrikana, ny OIF,ny Firenena Mikambana ary ireo iraka manokana tamin’ny fandraisanaanjara mavitrika, hitadiavana vahaolana amin’izao krizy politika izao.

Manolotra fisaorana manokana hoan’ny Filoha Joaquim Chissano sy ireompiara-miasa aminy, tamin’ny ezaka rehetra nataony ny tenako.Mankasitraka manokana ny Filoha Gebuza sy ny Governementa ary ny Vahoaka Mozambikana aho, izay nanaiky nampiantrano ity fivorianan’nympitarika politika efa-tonta ity, ary nahitam-bokatra.

Misaotra ihany koa ireo mpitarika politika telo mirahalahy, miarakaamin’ny delegasiona avy, tonga taty Maputo, Mozambique. Ho raiketin’ny Tantara ny ezaka sy ny finiavana ary ny fanehoanafitiavan-tanindrazana nitadiavana vahaolana maharitra amin’izao fahasahiranana politika andalovan’ny Firenena izao, hampajakana ny fihavanam-pirenena, sy hananganatsika firenena vanona, Madagasikaravaovao.

Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho anareo mpitondra ny teteza mita iraisana ny tenako.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra !Maputo, faha-08 Aogositra 2009

1 commentaire: