mardi 26 mai 2009

Fidirana mivantana nataon'ny Filoha Marc RAVALOMANANA

Fidirana mivantana nataon'ny Filoha Marc RAVALOMANANA
tamin'ny antsoan - tariby teo amin'ny MagroManahoana daholo ianareo

Miarahaba anareo vahoaka tonga marobe eto amin’ny toerana ity aho,manahoana daholo ianareo eMahatsiaro ary maka sary an – tsaina ny fitiavana ao anatinareo ao syny fanirianareo rehetra dia ny hihaonatsika tsy ho ela ary minoa ahyianareo fa tsy maintsy ho tanterahintsika izany.Mahatoky aho, mahatoky aho fa mahalala ny tokony ataony ny vahoakamalagasy ary dia saro – piaro amin’ny fitiavan – tanindrazana ka engaanie izao hetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana nyvahaolana izao mba ho tanteraka hatramin’ny farany. Ary tsy matahotraisika fa momba antsika andriamanitra.

Ny zavatra anankiray tiako ho marihina sy ampahafantarina anareo diaizao, tsy hamelan – tsika mihintsy raha tsy miverina amin’ny laoninyny filaminana ary ny lalŕm – panorenana tsy maintsy hajaina toy nyanak’andriamaso ary indrindra indrindra ny tany tan – dalŕna.Mampalahelo dia mampalahelo ny mahita ny fahorian’ny vahoaka malagasyankehitriny, miafina, mandositra tsy mba manana izany zo maha olonaazy izany.

Tena mangirifiry ny tena ankehitriny, ka hoy aho ry vahoakamalagasy, samia manao arak’izay azo atao hiarovantsika ny famerenanany ara – dalana.ny zavatra tiako ampitaina farany dia aoka mba samyhitovy ny fomba fijery ary hiara hientana isika handresy an’izaofihetsika sy fandrobana ataon’ny sasany izao, fandrobam – pahefana,ary indrindra indrindra ny fitadiavan’ny sasany hanazanahana indray nyfirenentsika, tsy manaiky an’izany isika malagasy, tsy hanaikyan’izany isika.

Ny hafatra tiako hapetraka aminareo ary dia samia, samia hoy aho aminareo manana an’ilay faharetana sy ilay finiavana hanao zavatra satria izay ihany no ahafahantsika manatanteraka nohon’ny finoanahananatsika ary indrindra indrindra ny fijoroantsika amin’izany hoefitiavana, entanim - pitiavana izany dia mahavita zavatra.Izao hetsika ataonareo izao dia hitan’ny firenen -drehetra ary miara –miasa amintsika ny firenena izay efa manohana, ny firenena afrikana,ny firenena eropeana, ny amerikana ny asiatika manohana antsika avokoa, koa mahatokisa fa tsy maintsy hanampy antsika izy ireo.

Holazaiko aminareo atsy ho atsy ny vokatr’izany fiaraha – miasa izanyka dia manantena isika, mino isika fa homba antsika andriamanitra.

Mandrapihaona indray ary ry vahoaka malagasy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire