jeudi 28 mai 2009

Kabarin'ny filoha Marc Ravalomanana

28/Mai/2008 - RADIO FAHAZAVANA

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay mijoro sy mitaky ny ara-dalàna.
Kely sisa dia ho olona afaka indray ny vahoaka Malagasy.

Midika izany fa ireo izay nisafidy nandika lalàna tamin’ny endrika maro dia ho faizina arak’izany rehefa tafaverina ny ara-dalàna sy ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana Malagasy.

Hotsaraina ihany koa ireo miaramila sy zandary ary polisy izay mbola manampy sy manohana an’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany amin’ny fandikan-dalàna rehetra ataony raha vao manapa-kevitra ny fianakaviam-be iraisam-pirenena fa tonga ny fotoana hamerenana ny fitondrana ara-dalàna sy ny filaminana ary ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Miantso ireo miaramila, zandary ary polisy rehetra tia filaminana sy fandriampahalemana aho, ary manao ny asany amin’ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka hametra-piadiana avy hatrany rehefa tonga ny fotoana asaina hanaovany an’izany.

Iharan’ny sazy faran’izay henjana izay tsy manaiky hanao izany. Ireo olom-pirenena tsotra izay niharan’ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon’I Andry rajoelina sy ireo jiolahy namany dia iangaviana tsy hanelingelina ny asan’ireo mpampandry tany. Hanampy antsika izy ireo hamerina ny ara-dalàna.

Koa avelao hanao ny asany ary omeo tanana raha misy ilany izany. Miantso ireo olom-pirenenan tsotra aho izay niharan’ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany, aoka tsy hisolo ny asan’ny fitsarana, fantaro tsara ary tadiavo ireo olon-dratsy nanao asan-jiolahy taminareo.

Rehefa tafaverina ny ara-dalàna dia manaova fitoriana any amin’ny manam-pahefana. Hosamborina izy ireo ary ho tsaraina sy ho faizina araka ny lalàna.

Ry vahoaka Malagasy tia tanindrazana, mijoro mitaky ny ara-dalàna, ampaherezo ny tapaka sy namana, ny fianakaviana, ireo mpiara-mitolona, amin’izao fitsapana mamaivay diavin’ny firenentsika izao. Sahia mijoro hatrany ao anatin’ny firaisankina.

Hifandray aminareo tsy tapaka aho hilazako aminareo ny fandroson’ny tolona ataontsika ho an’ity tanindrazana malalantsika ity.

Mahereza, manàna finoana.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire