mercredi 20 mai 2009

Tenin'ny filoha MARC RAVALOMANANA

http://www.youtube.com/watch?v=fGtAxEdpJdc
VIDEO MARC RAVALOMANANAFILOHAN'NY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA
JOHANNESBURG
19 MEY 2009

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,Misaotra ny Vahoaka Malagasy aho noho ny fanohanany ny ara-dalàna.Miombom-bavaka aminareo aho isan'andro.Aty aminareo faona ny saina amam-panahiko, na eo aza ny elanela-tany, arytsy ela dia hihaona indray isika.Tsy azo ekena na oviana na oviana eto amin'ity Firenentsika ity nyfandrombaham-pahefana. Tsy aradalana izany. Tsy azo ekena nyfampiasan-kery, fampihorohoroana, fanangejana sy famoretana ny Vahoaka,hiarovana ny tombontsoan'olom-bitsy.

Fanaovana tsinotsinona ny zo, nyhasina, ary ny safidim-bahoaka izany.Tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka natao tamin'ny fomba demokratikaaraky ny Lalampanorenana.Takiantsika ny fahafahana.Takiantsika ny famotsorana tsy misy hatakandro ny Praiminisitra ManandafyRakotonirina, sy ireo Loholona sy Solombavambahoaka ary ireo miaramilanosamborina sy nogadraina.

Indrindra indrindra ireo vehivavy sahy nijoroniaro sy nitaky ny ara-dalàna.Takiantsika ny zontsika haneho hevitra malalaka, na aiza na aiza, ary naoviana na oviana hanaovantsika izany.Takiantsika ny famerenana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana, ary nyrafitra rehetra isan-ambaratongany araky ny Lalampanorenana.Takiantsika ny fialan'ny mpitondra tsy ara-dalàna, hamerenana nyfitondrana ara-dalàna, amin ny fomba demokratika.Marina sy mitombona izany fitakiana izany, ka tsy azo hiadian-kevitra.Tsy maintsy sahy mijoro isika, miara-mientana, ary mampiseho finiavanahatrany.

Tsy hanaiky governemanta tsy ara-dalàna mihitsy isika.Tsy irery akory isika.Manohona antsika ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena.Manohana antsika ny SADC, ny Vondrona Afrikana, eny izao tontolo izaomihitsy.Manameloka sy mitsipaka io fitondrana tsy ara-dalàna io ny fianakaviambeIraisa m-pirenena, ary mitaky ny famerenana ny rafitra demokratika etoMadagasikara.Ry Vahoaka Malagasy,Diniho ny tantaran'izao tontolo izao. Tsy mbola nisy fitondrana tsyara-dalàna, mifanohotra amin'ny safidim-bahoaka ka naharitra tetoambonin'ny tany.

Tsy folaka fa nangina ny Vahoaka eo anatrehan'ny herisetra. Mahery anefany Vahoaka, satria masina ny safidiny.Koa manao antso avo amin'ny Vahoaka Malagasy aho. Tonga izao ny fotoana!Sahia mijoro, mampiseho firaisan-kina sy finiavana, fa ny firaisan-kina nohery. Manàna finoana fa hiverina tsy ho ela eto amin'ity Tanindrazanamalalantsika ity ny fitondrana demokratika miorina araky nyLalampanorenana.Manàna finoana, ary matokia ny tenanao. Ny fahasahiana sy ny herimpo, aryny safidy ataontsika tsirairay avy entanin'ny fitiavan-tanindrazanamarina, am-pahamarinana sy am-pahamendrehena, amin'izao fotaon-tsarotraizao no mamaritra ny fiainantsika sy ny ankohonantsika, ary ny hoavin'nyFirenentsika.

Tsy maintsy mandresy isika. Vahoaka hendry ny Vahoaka Malagasy. Vahoakatsy manaiky lembenana. Vahoaka fandrosoana, ary tia Fihavanana. Tsyekentsika ny tsy ara-dalàna sy ny jadona, ary ny herisetra.Eo anilanreo mandrakariva aho, ary miady mafy to anareo rehetra ihany koahoan'ny Tanindrazana. Miray feo sy manohona antsika koa izao tontolo izao.Koa mahereza , ry vahoaka Malagasy.

Homba antsika Andriamanitra!* * * * *

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire