dimanche 7 juin 2009

Atolotra an'i NENY Lalao Ravalomanana

dim 7 juin 2009 02:32:25


Eny fa na dia mbola zaza dia mamela ahy hiteny
Hanolotra ny arahaba ho fetinao anio ry neny
Tsy amboaram-bonikazo na hoe mofomamy koa
Fa andalan-tononkalo omena vokatry ny fo

Ny teniko eto ampiandohana dia fisaorana ny Ray
Nitahy sy nikarakara niaro anao hatramin'izay
Ka hoy aho hoe mahereza, mivavaka ho anao izahay
Ny aina no aoka mba hateza hifampiriaria indray

Tsy navelanao ho irery ireto reny Malagasy
Nomenao teny mampahery ka tsy mba nangasiasy
Tena faly ireto havana nahare reo teny mamy
Natolotrao ampitiavana avy any antany lavitra any

Na dia anaty fahantrana dia miezaka mitsiky
Satria nomenao fanantenana ito tanindrazantsika
Hiposahan'ny maraina ho amin'ny tena fahafahana
Ho tojo ny andro nandrandraina reo mpiray tanindrazana

Tsy ho adino velively izao fitiavanao izao
Mahatsiaro sy mijery reo reny maro mitalaho
Miharitra ny fahoriana ataon'ireo herimpamoretana
Tena feno hakiviana namoy ny asa iandriaketana

Isaorana eto ihany koa ny fanohananao tsy tapaka
An'andriamatoa filoha amin'ny ady tena sarotra
Ho fikatsahambokatsoa ho an'i Madagasikara
Ka hiadana tokoa ny taranaka amampara

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire