mardi 23 juin 2009

Hafatry ny Filoha Marc Ravalomanana hoan'ny vahoaka malagasy

Alatsinainy 22 jona 2009

Amin’izao hivorianareo marobe eto izao dia mahafaly ahy ny miarahabaanareo rehetra, koa dia miarahaba aho amin’ny alalan’ny tenakomanokana ary miarahaba ihany koa aho amin’ny alalan’izahay tena manaoizay azo atao rehetra hamerenana amin’ny laoniny sy hamerenana ny ara– dalŕna eto amin’ny tany sy ny fanjakana izay hiarahantsika mahalalany zava – misy ankehitriny, koa miarahaba anareo rehetra aho tongamarobe ary misaotra betsaka.

Fantatro dia fantatro tokoa fa miandry dia miandry ianareo amin’izao fotoana izao hoe nanao ahoana ny fivoriana tamin’ny sabotsy aryrahoviana ihany i Dada vao ho avy. Marina izany ary tena manao izay azo atao aho fa tsy mandry andro tsymandry alina aho miaraka amin’ireo mpiara – miasa amiko aty manao izayazo atao rehetra mba hamerenana amin’ny laoniny ny ara – dalŕna atyMadagasikara. Tsy ekentsika ny fandrobam – pahefana, tsy ekentsika ny fisian’izao tsy filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao, arytsy ekentsika hoy aho aminareo i Madagasikara izay tany milamina sy mampiaiky izao tontolo izao no lasa mikorontana koa dia natokan’ny fikambanamben’ny SADC mihintsy ny andro sabotsy tontolo sy sabotsyalina handinihana manokana ny raharahan’i Madagasikara nohon’ny krizy politika.

Zava – dehibe amin’ny firenentsika izany hoe noresahana manokana i Madagasikara tsy nasiana resaka hafa, tsy nasiana zavatra hanelingelenana ny fotoana fa momba an’i Madagasikara fotsiny nonoresahana tao.Zao ny zavatra lehibe azoko lazaina aminareo ry Vahoaka, mihainoa tsara ianareo,Voalohany indrindra dia izao : tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny Ordre constitutionnel aty Madagasikara na amin’ny fomba ahoana naamin’ny fomba ahoana ; izay no tapaka tao.

Ho alefako any aminareo mbahovakianareo any ilay izy. Araky ny paragraphe na andininy diamanambara amin’ny fomba ofisialy ny SADC fa ny mpikambana rehetra nany firenena rehetra ato amin’ny SADC izany hoe 14 dia samy handrotsakahanampy an’i Madagasikara amin’izay fomba rehetra azo atao na vola nafitaovana n’inon’inona hamerenana izany Ordre constitutionnel izany.

Hoy aho aminareo hoe natokana mihintsy ny sabotsy faha 20n’ny volanajona handinihana manokana ny raharahan’i Madagasikara. Zava – dehibeizany ary manana ny maha izy azy ny firenentsika.Ny faharoa tena lehibe anakiray izay tapaka tao ihany koa dia izao :manomboka izao dia olona avy aty amin’ny faritry ny SADC no mitarikany fifampiraharahana sy ny fifampizahana vahaolana fa tsy olona avyary alavitra be ary intsony, fa olona avy eto amin’ny firenena SADCizay mandray anjara amin’ny resaka atao raha misy ny resaka tokonyatao.

Izany koa zava – dehibe izanyNy fahatelo, manomboka izao dia tsy maintsy atao izay isian’nyfanafainganana ny famerenana amin’ny laoniny izany Ordre constitutionnel izany satria mijaly sy fadiranovana ny Vahoaka. Koa dia miantso ny Malagasy rehetra aho, miantso ny Vahoaka manontoloaho, miantso ny miaramila aho, ny polisy, ny zandary, isika notompon’ny firenena, isika no malagasy tompon – tanindrazana, mba samiamieritreritra, samia mampiasa ny feon’ny fieritreretana rey olona a.

Tsy tombontsoa ny mandatsak’ain’olona, na mamono ny namana na nyhavana, na mampihorohoro. Samia mampiasa ny feon’ny fieritreretana hoy aho aminareo. Fa mijaly ny vahoaka ankehitriny, miakatra ny vidim – piainana, ny vidin’ny lasantsy etsy andaniny, ka isika izany dia tsy maintsy miasa miaraka ary tsy maintsy manana faharetana, manana faharetana hoya hoaminareo satria tsy mora.

Koa mino sy manantena aho fa ny fankalazanaamin’izao ankatoky ny fetim – pirenena izao dia alahelo daholo ny Vahoaka malagasy rehetra manerana ny nosy satria zao ny zava – manjony firenena. Fa kosa ny andro anakiray izay tena hanafahana izanyfampahoriana, tena anafahana an’i Madagasikara ao anatin’izanykorontana izany no tena andrandrain’ny Vahoaka marobe. Koa dia matokiaahy ianareo, mahatoky anareo ihany koa aho fa hiasa hiaraka isika.

Koa dia tohizo, tohizana foana ny hetsika ataontsika ho ren – tany ho ren– danitra satria zava – dehibe no ahafantaran’ny olona fa iMadagasikara, ny Malagasy dia manana ny soa toavina. Ankehitriny azadia mbola mitana ny hevitra izay voalaza tamin’ny fivoriana tamin’ny30 martsa fa hoe tsy maintsy atao izay hanampiana an’i Madagasikara naamin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.

Fa mila sava lalana aloha ( ?) ny fomba fifampiresahana aloha mba ahafahana mijeryhaingana sy maharitra ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Tsymaintsy vahana aloha ny resaka fandriampahalemana. Tsy ekena intsonyny fisamborana, tsy ekena intsony ny herisetra izay misy amin’izaofotoana izao.Mbola betsaka ny tiako resahina ary izahay aty aza mba maika dia maikany te hody, hiverina aty Madagasikara, ahita ny Malagasy indray fatsy maintsy atao matotra tsara ny resaka, mazava tsara fa aharitra ny demokrasia eto Madagasikara izany.

Koa mbola mamerina hatrany ny fisaorana sy ny fankasitrahana aho ary mamerina aminareo fa tandremo tsara fa misy ireo mampiraviravytanana anareo ireo. Aza manaiky izay fampiraviraviana tanana fa tsymanaiky mihintsy raha tsy efa tafaverina any i Dada. Tsy mijanonamihintsy. Koa Minoa ahy ianareo, izaho koa mahatoky anareo izay ary aloha nyandroany, betsaka ny holazaiko aminareo amin’ny manaraka fa mbolamiasa izahay amin’izao fotoana izao. Koa dia mametraka ny amin’nymanaraka indray, samy tahian’Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire