dimanche 7 juin 2009

KABARIN'DRAMATOA LALAO RAVALOMANANAFANKALAZANA NY FETIN'NY RENY

07 JONA 2009

http://www.youtube.com/watch?v=82TNcIBjEEA

Misaotra an'Andriamanitra lehibe ny voalohan-teny amin'ity Alahady 07 Jonafankalazana ny Fetin'ny Reny ity.Miarahaba manokana ny Reny Malagasy aho.Ary faly miarahaba ny Vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy. Miarahabaihany koa ireo Malagasy mielipatrana eran'izao tontolo izao.Raisiko izao vanim-potoana fankalazana ny Fetin'ny Reny izao, hilazakoaminareo ny tena ato am-poko, ary hizarako hafatra mitondra fanantenana,na dia aty lavitra aty aza no misy ahy.Tonga eo amin'ny kihon-dalana iankinan'ny hoavin'ity Tanindrazanamalalantsika ity isika ankehitriny.

Tsy mbola afaka amin'ny krizy izaymampijaly sy mampangirifiry ny Vahoaka Malagasy isika.Vanim-potoana iray manokana eo amin'ny tantaran'ny Firenentsika izao. Nysafidy ataontsika tsirairay avy no mamaritra ny hoavintsika sy nyhoavin'ny taranaka mifandimby.Tohina ny foko, ary tena malahelo aho amin'ny maha vady, reny, rahavavy,zanaka, ary Renin'ny Vahoaka Malagasy ahy.

Tena feno ny foko, ka tsyhitako izay teny mahalaza ny fanaintainana sy ny fangirifirin'ny VahoakaMalagasy, vokatr'iny fanonganam-panjakana iny.Nitondra faisana avokoa ny rehetra - na lahy na vavy, na antitra natanora, na mpianatra na mpiasa, na manana na tsy manana.Feno ny foko mahare ny zava-manjo ny Vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazanaamiko.

Tao ireo maty, vokatry ny hetraketraka sy ny herisetra tsyam-peheverana. Miara miory amin'ny fianakavian'izy ireo aho.Maro ireo renim-pianakaviana nitaraina tamiko fa miaina ao anatin'nytahotra sy ny horohoro, ary mandry an-driran'antsy lava izao. Marobe toyizany ihany koa ny reny nilaza tamiko fa manahy mafy momba nyhoavin-janany, izay zara raha mianatra, vokatry ny ahiahy sy nytebitebin-tsaina, ary ny tsy fahaloavana ny saram-pianarana. Mafy, tenamafy tokoa ny manjo azy ireo.

Reko ary tsapako ny fangirifirinareo sy ny fitarainanareo. Ren'izaotontolo izao koa izany. Nefa mahereza fa misy ny fanantenana. Misy ny fanantenana, satria tsy manaiky lembenana isika, fa sahy mijoromiaro ny ara-dalàna, na eo aza ny ramatahora ataon'ny herim-pamoretana.Voaporofo izany tamin'ny herimpo nasehon'ny mpianatra sy ny vehivavy.Nanao fihetsiketsehana am-pilaminana izy ireo, nanohitra ny tsy mahaara-dalàna ny fitondrana najoron'ireo mpanongam-panjakana, na dia teo azaireo miaramila mirongo basy nampiasa herisetra taminy.

Tao koa ireo mpitari-tolona mahery fo. Tsy natahotra ny fandrahonana, nyfisamborana, ary ny fanagadrana tsy ara-dalàna izy ireo, fa nanentana nytolona hatrany. Tao ireo mpiasam-panjakana nitokona, ho fanoherana nyfitondrana tsy ara-dalàna.Ireny fihetsika mitory herimpo, fahaiza-mitarika, ary soatoavina mendrikaireny no antoky ny fanantenana.

Ireny no afahana mampiroborobo ny demokrasia, ary manamafy ny firaisan-kina sy ny fampandrosoana rahampitso.Vahoaka hendry, tia filaminana ary tia fandrosoana ny Vahoaka Malagasy.Hoy ny fitenindrazantsika hoe: "Ny saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan'izaymamarara".Ambony anefa ny Fihavanana sy ny tombontsoam-pirenena. Koa mahatoky aho fahahay hampitony ny hambompo ny tsirairay, ka hifanaja sy hanaja nyhasin'ny maha olona ny samy Malagasy. Izay no isan'ny lalana ivoahantsikaamin'izao fahoriana mafy izao.Vahoaka afaka ny Vahoaka Malagasy.

Manana ny nofinofiny sy ny hetahetany,ary ny safidiny izy. Mendrika ny hiaina am-pilaminana. Mendrika nyhandroso, toy ny any amin'ny firenen-kafa izy. Adidy sy andraikintsika nymikatsaka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ary ny rariny sy nyhitsiny.Entanin'ny fanantenana sy ny fitiavan-tanindrazana isika, indrindraamin'izao an-katoky ny fankalazana ny Fetin'ny ny Fahaleovantena izao.Sahia mijoro hiara-mientana, hiray hina hamerina ny ara-dalàna. Nyfahombiazantsika amin'izany no miantoka ny fanatanterahana ny fikasantsikahampandroso ny Firenena, hanatsarana ny farim-piainantsika sy nyfarim-piainan'ny taranaka mifamdimby.

Ary ambonin'ireo efa voalaza rehetra ireo, dia mivavaha, ka aza mitsahatrafa ilay Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy, ka ny vavaka no manovazavatra.Mahereza ry Vahoaka Malagasy fa momba sy tia antsika Andriamanitra!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire