jeudi 4 juin 2009

FANAMBARANA OFISIALY FIADIDIAN'NY REPOBLIKAN'I MADAGASIKARA

Pretoria, 4 Jona 2009

Ny fitondrana tsy ara-dalàna najoron'ireo mpandromba-pahefana dia nanafoana ny tany tan-dalàna, nandrava ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ary nahavery hasina ny Fitsarana eto Madagasikara.

Ny fanendrikendrehina sy ny famoahana didy tsy mitombona momba ahy, dia porofon'ny mahavery hasina ny fitsarana sy ny tsy fisian'ny tany tan-dalàna eto Madagasikara.Ny fanambarana ataon'ny Minisitry ny Fitsarana dia tsy manan-kery satria fitondrana tsy ara-dalàna, tsy araky ny Lalampanorenana ny HAT nanendryazy.

Rehefa miverina eto Madagasikara ny tany tan-dalàna izay vao hananany maha izy azy ny Fitsarana. Henatra hoan'ny Firenena eo imason'izao tontolo izao ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny.

Lasa fomba fanaon'ny fitondrana tsy ara-dalàna najoron'ny HAT ny fanaratsiana sy ny fanendrikendrehina ahy sy ireo mpiaro, ary mpanohona ny ara-dalàna. Lasa fomba fanao ny fisamborana sy ny fanagadrana noho ny hevitra politikatsy mitovy.

Niharan'izany ny Praiminisitra, Andriamatoa ManandafyRakotonirina, Parlementera, mpanao gazety, ary manam-boninahitra. Ary lasa fomba fanao ny fampiasana herisetra sy ny fampihorohorona ny Vahoaka Malagasy. Tsy ekentsika izany. Koa miantso ny tia Tanindrazana sy ny mpanohona ny ara-dalàna rehetra aho, indrindra ireo mpahay lalàna, hiara hientana.

Tsy maintsy arodana ny fitondrana tsy ara-dalàna tarihin'I Andry Rajoelina.

Homba antsika hatrany Andriamanitra!

Marc Ravalomanana Filohan'ny Repoblikan'I Madagasikara

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire